4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Soa raha manan-kavana - Lolo sy ny tariny

Soa e raha manan-kavana

Fa raha manam-bola, manan-taratasy

Fa ny manan'omby, manan-ketsa

Manan-tany, manam-potaka

Fa manan-tsoa e raha manan-kavana

Fa mirefarefa,

Mirefarefa rafokonolona fa tonga ny vazaha sônagaly.



Soa e raha manam-piara

Fa raha manam-piara tsy mba mety tara

Manam-piara, mahita vady

Manambady, matory tsara

Fa manan-tsoa e raha manan-kavana

Fa mirefarefa,

Mirefarefa rafokonolona fa tonga ny vazaha sônagaly.



Soa e raha manam-basy

Fa ny manam-basy, manan-kery

Manan-kery, manan-tany

Manan-tany, manam-panjakana

Fa manan-tsoa e raha manan-kavana

Fa mirangaranga,

Mirangaranga rafokonolona fa tonga ny andron'ny fanjakana.

Partager soa raha manan-kavana

Commenter soa raha manan-kavana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lolo sy ny tariny